<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>435</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Iza no hanoa
 ny Tompo lehibe ?
 Iza no hanaja
 Azy tsara re ?
 Iza no hitady
 olon-kafa koa,
 Mba hanaiky
 sy handray
 Ny Tompo soa ?
 Indreto Jeso Tompo !
 izahay izao
 Avy mba hanompo,
 avy ho Anao.

[V2]
 Tsy an-tery re
 no ilatsahana
 Toy ny olom-bery
 nandevozina ;
 Ta-hanompo tsara
 izahay izao
 Ta-hamely koa izay
 toherinao :
 Eny, Jeso Tompo !
 ta-hanao tokoa
 Izahay mpanompo
 izay nasian-tsoa.

[V3]
 Na dia ta-hanompo
 aza izahay,
 Be ny fahavalo iadianay ;
 Izahay malemy
 feno tahotra,
 Mba tsy horeseny,
 manampia anay,
 Kapiteny sahy !
 entonao izao
 Mba hitomban-dahy
 ny mpiadinao.

[V4]
 Mafy re ny ady,
 maro be no voa,
 Misy tsy mahandry,
 be ny maty koa ;
 Izahay mpanompo
 miandrandra Anao ;
 Tompo izay tsy toha !
 mba herezonao :
 Tompo manan-kery !
 hatanjahonao
 Izahay, sao very
 ka afaka Aminao.</lyrics>
<title>Iza no hanoa ny Tompo lehibe ? FFPM435</title>
<author>J. Goss</author>
</song>